1 DIA namaly Bildada Sohita ka nanao hoe: 

2 Mandra-pahoviana no hiteny toy izany hianao, Ka ho rivotra mahery ny teny aloaky ny vavanao? 

3 Andriamanitra va hamadika ny fitsarana, Na ny Tsitoha hamadika ny rariny? 

4 Raha nanota taminy ny zanakao, Dia efa nampanodiaviny azy ny fahadisoany. 

5 Fa raha hianao kosa mandroso mitady an'Andriamanitra Ka mifona amin'ny Tsitoha. 

6 Ary raha madio sy mahitsy hianao, Dia hifoha hamonjy [Na: hiambina.] anao tokoa Izy Ary hampiadana indray ny fonenan'ny fahamarinanao, 

7 Ka na dia kely aza no niandohanao, Dia ho lehibe indrindra no hiafaranao. 

8 Fa masna hanao, anontanio ange ny ntaolo, Ka fantaro ny hevitra hitan'ny razany 

9 (Fa vao omaly isika ka tsy mba mahalala, Fa aloka ihany ny androntsika et ambonin'ny tany); 

10 Tsy ireny va no hampianatra anao ka hilaza aminao Ary hamoaka teny avy ao am-pony? 

11 Haniry va ny zozoro, raha tsy eny amin'ny fotaka? Hitrebona va ny harefo, raha tsy misy rano? 

12 Mbola maitso izy sady tsy voajinja, Kanefa malazo alohan'ny zava-maitso rehetra. 

13 Toy izany no llan'izay rehetra manadino an'Andriamanitra; Ary ho very ny fanantenan'ny mpihatsaravelatsihy, [Na: ratsy fanahy.] 

14 Fa ho maito ny fanantenany, Eny, ho tranon-kala ny tokiny. 

15 Miankina amin'ny tranony izy, kanjo tsy maharitra iny; Mihazona azy mafy izy, kanjo tsy mahazaka azy iny. 

16 Mitsimoka tsara tandrifin'ny masoandro izy, Ary ny rantsany misandrahaka eo amin'ny tanimboliny; 

17 Mifelipelika mifaniditra eo amin'ny korontam-bato ny fkany Ary mahazo any anelanelany; 

18 Kanjo nony fongorany hiala amin'ny fitoerany izy, Dia handa azy izany ka hanao hoe: Tsy mbola nahita anao akory aho. 

19 Indro, izany ihany no fifalian'ny llan-kalehany; Ary hisy hafa indray mitrebona avy amin'ny vovoka. 

20 Indro, Andriamanitra tsy hanary ny olona tsy manan-tsiny Ary tsy hitantana ny mpanao ratsy; 

21 Mbola hofenoiny hehy ny vavanao Sy hoby ny molotrao. 

22 Izay mankahala anao hitafy henatra; Ary tsy hisy intsony ny lain'ny ratsy fanahy.
